Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mila havaozina ny fandaharam-pianarana : 50%-n’ireo manana diplaoma ihany no manana asa

    50%-n’ny mpianatra manana diplaoma mivoaka avy amin’ny toeram-pampianarana ambony indrindra ny oniversite no mahita asa. Ny ambiny, manao asa tsy mifanaraka amin’ny fiofanana azony ary tsy mitondra fampandrosoana. 4%-n’ny vahoaka fotsiny ihany anefa no afaka mianatra eny amin’ny oniversite ka lasa fatiantoka ho an’ny ray aman-dreny nandany vola sy ho an’ny firenena iray manontolo fotsiny ireo avara-pianarana ireo, araka ny vaovao azo nandritra ny atrikasa nokarakarain’ny BIT momba ny fampifanarahana ny fiofanana omena ny tanora amin’ny tsenan’ny asa. Nandray anjara tao ny minisitera voakasiky ny fanofanana tanora, ny vondron’ny mpandraharaha, ny tomponandraikitry ny oniversite, ny fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa (CTM), ny toeram-pikarohana samihafa

    Voalazan’ny filoha lefitry ny oniversiten’Antananarivo, Andrianarimanana Jean Claude Omer fa misy lesoka ny fampianarana eny amin’ny oniversite fa eo an-dalam-panarenana izany ny tomponandraikitra ao anatin’ny rafitra vaovao LMD nanomboka ny taona 2010. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa ahafantarana ny filany handrindrana ny fandaharam-pianarana omena ny mpianatra malagasy. Tanjona ny hahazoan’ny mpianatra asa avy hatrany raha vao mivoaka nahazo diplaoma.

     

    Tsy ampy ny fifandraisana 

    Ankoatra izay, afahantsika mampandroso ny firenena koa ny fikarohana fa tsy ampy ny fifandraisanan’ny tompon’ny orinasa sy ny ivotoeram-pikarohana mamoaka vokatra maro.

    Tsy misy dikany ny asa ataon’ny ivotoeram-pikarohana raha tsy manome vokatry ho an’ny orinasa raha tsy ny mpiasa no mahay. Mila mandroso amin’ny famoronana asa ny fikarohana ka hapetraka ny rafitra isam-paritra hamondronana ny hevitra rehetra avy amin’ny mpisehatra voakasika. « Hipetraka afaka roa volana ny rafitra ho an’Analamanga”, hoy ny solontenan’ny BIT, Ntsay Christian.

    Vonjy

     

     

    Les commentaires sont fermées.