Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Voalaza fa nitondra andramena : voafitaka ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ilay sambo

    Voalaza fa nitondra andramena  : voafitaka ireo mpitandro filaminana nanao fisavana ilay sambo

     Voafitaka ireo mpitandro filaminana satria loharanom-baovao diso no voarain’izy ireo nandritra ny fisavana ilay sambo voalaza fa nitondra andramena tratra tany amin’ny fari-dranomasina Mananara avaratra, andro vitsivitsy lasa izay. Araka ny fampitam-baovao voaray, sambo lehibe iray nitondra sira milanja 1070 taonina avy any Antsiranana ity sambo voalaza fa nitondra andramena ity. Niainga tany an-toerana izy ny 4 febroary 2016 ary tonga tao Vohémar ny ampitson’io ihany. Nampidinina tao ny 400 taonina tamin’ireo sira nentiny. Niainga tao indray ilay sambo taorian’izay ka tonga tao Maroantsetra ny 8 febroary 2016. Nampidinina tao indray ny sira 165 taonina. Niala tao Maroantsetra hihazo an’i Sainte Marie ilay sambo ny 11 febroary 2016. Tratran’ny olana ara-teknika tampoka anefa ilay sambo ka tsy afa-nihetsika teny afovoan-dranomasina. Tsy afaka nampidina ny vato fantsika anefa izy ireo noho ny halalin’ny ranomasina, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny sambo. Vokany, nentin’ny rano manamorona ny sisin-dranomasina ilay sambo ka tonga hatreny amin’ny faritra lazaina fa hoe faritra mena amin’ny fanondranana andramena. Taitra ireo zandary mpiambina ny sisin-tany raha nahita ilay sambo ka niroso tamin’ny fisavana sady nampihorohoro, saingy tsy nahita na inona na inona. Niezaka nanamboatra ny simba ihany anefa ny mekanisianina tao anatin’ilay sambo ka afa-nandeha nihazo an’i Toamasina ihany, kanjo maty indray. Nitaraina tamin’ny fihetsika nasehoan’ireo mpitandro filaminana manoloana ny fihetsik’izy ireo nandritra ny fisavana ireo tantsambo tao amin’ilay sambo. Nosintonina ary nentina nihazo an’i Toamasina ilay sambo taorian’izay.

    Sajo

    Sary : Sajo


    Les commentaires sont fermées.