Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Analamanga rugby : resin’ny Tam ny Cheminots

    Analamanga rugby : resin’ny Tam ny Cheminots

    Toy ny mahazatra, nanohy ny fifaninanany, tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ihany koa ny ligin’Analamanga, taranja rugby. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondaka, izay notontosaina, omaly alahady. Nahazo fandresena  indray ny Tam Anosibe, rehefa nanilika ny UAS Cheminots, tamin’ny isa 29 no ho 27, ho an’ny “Top 9”.. Nampitsanga-mitoetra hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta, satria nifanenjehana, hatrany amboalohany ka hatrany amin’ny farany ny isa.

    Ankoatra izay, resin’ny IRC tamin’ny moka fohy, 26 no ho 25, ny XV Family. Nitovy ny herijikan’ny roa tonta saingy fahadisoana tsy nahy no naharesy ny XV Family.

    Tsy mbola tafavoaka indray ny TFA Anatihazo tamin’ity satria resin’ny Stade Olympique de l’Emyrne, tamin’ny isa 18 no ho 12. Efa manomboka mahazo ny hafainganana, eo amin’ity fifaninanana  ity, ry zareo Stade. Teo amin’ny lalaon’ny “Elite II” indray, resin’ny RCL tamin’ny isa 16 no ho 13, ny Savage Rose ary tamin’ny moka fohy, 14 no ho 13 ny nanilihan’ny SCM/CFM ny Wallabie.

     Torcelin

    Les commentaires sont fermées.