Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Telma coupe de Mada» : votso-droa ny ekipan’ny Cnaps Sport

    Kitra – «Telma coupe de Mada»  : votso-droa ny ekipan’ny Cnaps Sport

     Nitranga ny tsy nampoizina teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Telma coupe de Mada”. Nihintsana ny Cnaps Sport, tompon’ny anaram-boninahitra farany.

     

    Tontosa, omaly alahady,  ireo lalao ampahavalon-dalana amin’ny “Telma coupe de Mada”, taranja baolina kitra. Votso-droa ny Cnaps Sport, satria samy resy avokoa na ny avy any Itasy na ny avy eto Analamanga. Anisan’ny tsy nampoizin’ny rehetra  ny nihintsanan’ny Cnaps Sport Itasy, tompon’ny amboara farany. Resin’ny Tam Port-Berger, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, mantsy izy ireo. Fihaonana  notontosaina, tany Mahajanga.

    Nanantombo teo amin’ny fanafihana, ny Cnaps Sport saingy tsy nety nahatafiditra baolina. Tetsy ankilany, nahay nanararaotra ny “occasion” tsara azony ry zareo Tam, ka nahafaty ny baolina tokana, ka nitondra azy ireo any amin’ny ampahefa-dalana, i Bernardin, teo amin’ny minitra faha-58.

    Nihintsana ihany koa ny Cnaps Analamanga, rehefa lavon’ny AS Adema, tamin’ny isa, 3 no ho 0. Mbola nipetraka tamin’ity ny fahazaran’ny mpilalaon’ny seranam-piaramanidina, lalao goavana. Ny Cosfa, lavon’ny FC Rabaza Atsimo Atsinanana, tamin’ny fandakana ny “tirs au but”, 5 no ho 3, rehefa nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko, tao anatin’ny 90 mn nilalaovana.  3 no ho 2 ny nandresen’ny RTS Jet Mada ny Mama FC.

    Tapitra hatreo ihany koa ny dian’ny Uscafoot, izay niondrika teo anatrehan’ny Otiv Ambatondraza, tamin’ny isa 2 no ho 1. Nandavo ny Zanakala FC, tamin’ny isa, 1 no ho 0 ny FCA Ilakaka,. Nomontsanin’ny Fosa Junior Boeny, tamin’ny isa, 7 no ho 2 kosa ny Tana Formation ary nandresy ny Black Star Vatovavy Fitovinany, tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Elgeco Plus.

     Torcelin

    Les commentaires sont fermées.