Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nihaona ny CUA sy ny taxi : hisy fidinana ifotony, anio

    Nihaona ny CUA sy ny taxi  : hisy fidinana ifotony, anio

    Nihaona voalohany teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny mpitantana ny kaominina Renivohitra sy ny mpitondra taxi miasa eto Antananarivo, araka ny fanasan’ny kaominina. Voalaza fa voasolo tena avokoa ny “secteur 39” eto an-dRenivohitra. Tapaka fa hatao isaky ny telo volana ny fihaonana ary hiara-hisalahy ny roa tonta hanatsarana ny fifandraisana.

    Anio, hidina ifotony ny kaominina hijery sy hanazava ny olana misy ka hametraka paikady hiadiana amin’ny taxi tsy ara-dalàna.

    Nilaza ny mpitondra taxi, nandritra ny fivoriana, fa tokony hahazo fanampiana mitovy amin’ny taxi-be ho famenon’ny banga vokatry ny fiovan’ny vidin’ny solika matetika. Nangataka koa izy ireo fa tokony hoesorina ny haba amin’ny vidin’ny kojakoja ampiasain’ny taxi. Rehefa tafapetraka ny « central d’achat » eo amin’ny Omavet, tokony hofoanana ny « taxe d’importation » amin’ny kojakoja fampiasan’ny taxi. Raha ilaina ny fidinana an-dalambe ho fitakiana ireo amin’ny fitondrana mahefa, hanao izany ny mpitondra taxi toy izay efa niseho tamin’ny herinandro lasa teo. Nodinihina nandritra ny fihaonana ny momba ny « lanterne » sy ny « contre visite ».

    Nanambara ny filohan’ny FTAR fa tsy mpikambana ao amin’izy ireo ireto nivory niaraka tamin’ny kaominina ireto ary tsy tompo-marika amin’izay tapaka tao izy ireo.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.