Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby Analamanga : mbola mitarika hatrany ny FTM Manjakaray

    Rugby Analamanga : mbola mitarika hatrany ny FTM Manjakaray

    Na teo aza ny orana, tsy nahasakana ny fitohizan’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja rugby, izay karakarain’ny “commission technique fédérale”. Natao ny asabotsy sy omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, izany. Mbola misongadina hatreto ny FTM Manjakaray, ho an’ny “élite fédérale”, izay nanamontsana, tamin’ny isa mavesatra, 60 no ho 7, ny VTM Antsalovana. Nanohitra ihany ny VTMA, saingy mafy teo amin’ny traikefa sy ny tanjaka ny Manjakaray.

    Niezaka nanafaingana ny lalao ry Tsôla sy ry Nantenaina saingy tsara fiarovantena ny Manjakaray, nahitana an-dry Koroka sy ry Zo ary ry Gervais. Ankoatra izay, lavon’Ankady, tamin’ny moka fohy, 21 no ho 19 Ambondrona. Fihaonana tena niady satria efa tany amin’ny minitra farany vao afaka ry tapany maintso rehefa nitarika an’isa hatrany ny JSTA.

     

    Tompondaka

    Asabotsy 25 septambra

    Toy izao ireo voka-dalao :

    Vehivavy

    FTVL (15) – (11) CRAI

    “Elite federale”

    STM (36) – (09) 3F5

    US Ikopa (18) – (20) UIRC

    Cosfa (41) – (14) XV Fa

    US Ankadifotsy (21) – (19) JSTA

     

    Alahady 24 septambra

    Vehivavy

    RFA (05) – (07) XV Beravina

    “Elite régionale”

    FTAM (16) – (05) XV Soldats

    Mang’Arts (10) – (9) Tam 67 ha

    FTA (16) – (18) XV Black

     

     

    Les commentaires sont fermées.