Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tenisy – «Afrique U14» : 6 mianadahy hanafika an’i Egypta

    Tenisy – «Afrique U14»  : 6 mianadahy hanafika an’i Egypta

    Hanomboka,  anio alatsinainy 25 septambra, any Egypta ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny sokajy U14. Enina mianadahy, roa vavy sy enin-dahy no hiaro ny voninahi-pirenena, amin’ity fifaninanana ity. Nanainga, omaly, ny delegasiona Malagasy, notarihin’ny mpanazatra, Andrinafetra Harivony.

    Marihina fa mandray anjara, amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika  ity,  ireo mpilalao 20 voalohany, aty Afrika na ireo «Top 20 Afrique», miampy ireo mpilalao mendrika indrindra isaky ny faritra. Tsiahivina fa tafita teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana, Ranaivo Narindra sy Ranaivo Toky, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan ‘i Afrika, natao  tatsy Afrika atsimo, ny volana marsa, lasa teo. Amin’ity, anisan’ny mbola manana herijika hahazo vokatra tsara indray, Ranaivo Toky, atleta miofana any Casablanca Maraoka. Tsiahivina fa niantohan’ny federasiona malagasy avokoa ny saran-dalana sy ny pitsopitsony rehetra, amin’izao dian’ny ekipa malagasy izao, izay mitentina 30 tapitrisa Ar.

    Torcelin

    Ireo mpilalao malagasy 

    U14 Vehivavy : Ranaivo Narindra ; Ranaivo Mialy.
    U14 Lehilahy : Ranaivo Toky ; Rakotozandriny Lanja ; Rasendra Fenosoa ; Rakotondrainibe Sampras.

    Les commentaires sont fermées.