Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : bemarenina

    Manombana ny fivoaran’ny fitantanana ny firenena indray ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Raha jerena amin’ny ankapobeny tokoa, hita fa nidina ny vidin-tsolika tato anatin’ny roa vola faran’ny taona 2017, satria miankina amin’ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na izany aza, tsy voafehy ny vidim-bary sy ny vidin-javatra ilaina andavanandro, anisan’ny iankinan’ny tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana. Raha naminavina  ho 7% ny fitondrana ao anatin’ny tetibola 2017, voalaza fa manodidina na maherin’ny 10% ny fidangan’ny vidin-javatra amin’ny ankapobeny.

    Singa iray jeren’ny FMI akaiky koa ny lafiny fanjakana tsara tantana. Toy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fanambaram-pahefana ataon’ny tompon’andraikitra ambony. Tsy hita taratra, hatreto, ny vokatra, amin’ny famaizana ny mpanodina volam-panjakana (tsy ny “Raharaha Claudine” irery), ny fanenjehana ny mpanao aferana andramena, vitsy ny tompon’andraikitra (depiote, loholona, tale any amin’ny minsitera,….) nanambara ny fananany. Izany hoe, “minia manao bemarenina” ve fa rehefa manao teny ara-diplaomatika na tsara lahatra ny FMI dia milamina ny saina, fa ho azo antoka ny fiaraha-miasa indray aminy amin’ny manaraka?

    Randria

    Les commentaires sont fermées.