Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zandarimaria : « Esorina izay tsy mahavita ny asany »

    Zandarimaria  : « Esorina izay tsy mahavita ny asany »

    Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fivorian’ireo lehibena zandarimaria manerana ny Nosy, teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Notarihin’ny Seg, ny Jly Randriamahavalisoa G., izany, izay nanamafisan’ity farany fa mitohy ny asa fanadiovana eo anivon’ny zandarimaria. “Diovina aloha ny eo anivon’ny zandary. Hatramin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary aza, voakasika amin’izany. Omena telo volana izy ireo hiasany ka miala rehefa tsy mahavita azy,”, hoy ny fanamafisana.

    Mandritra ny herinandro ity fivoriana eny amin’ny Toby Ratsimandrava ity. Misy ny tomban’ezaka ataon’ny rehetra mandritra izany. Eo ihany koa ny fanamafisana sy ny fametrahana paik’ady amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana.

    Ho lava ny herinandro hanaovan’ny zandary dinika. Hisy ny famoahana tatitra ho an’ny rehetra amin’ny farany. Andrasana koa izay fampiharana izany avy eo.

    Yves S.

     

    Les commentaires sont fermées.