Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety – «CCCOI 2017» : resin’ny Tamifa ny B Challenge

    Basikety – «CCCOI 2017»  : resin’ny Tamifa ny B Challenge

     Nitohy, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina omaly, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, izay niditra tamin’ny andro fahefatra. Samy nahazo fandresena avokoa ny Tamifa sy ny Fandrefiala, teo amin’ny sokajy vehivavy, tamin’izany. Resin’ny Tamifa, tamin’ny isa mazava, 65 no ho 50, ny B Challenge, avy atsy Seychelles. Efa nampoizina ihany ny vokatra satria ekipa ataon’ny rehetra fakana isa fotsiny ry zareo Seiseloazy, amin’ity fihaonana ity. Nanjakan’ny mpilalao malagasy tanteraka ny 40 mn nilalaovana. Nitarika anisa hatrany ry Mbola sy ry Fanja ary i Lalaina, teo amin’ireo tapa-potoana efatra.

    Tsy naharaka ny hafainganam-pandehan’ny Tamifa mihitsy ry Kelfa sy ry Simone. Mailaka teo amin’ny famezivezena baolina, nampian’ny tanjaka, ny mpilalaon’ny Tamifa, izay nahavery tanteraka ny Seiseloazy. Ankoatra izay, anisan’izany lalao nandrasan’ny rehetra ihany koa ny fihaonan’ny samy Malagasy : ny fifandonan’ny MB2 All sy ny Fandrefiala. Niady ny lalao satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka ho mpandresy, tamin’ny isa 70 no ho 60, ry zareo Fandrefiala. Marihina fa ekipa diso mifankahalala tsara ny roa tonta, ary saika mihaona matetika amin’ny sehatra toy izao. Mitarika vonjimaika eo amin’ity sokajy vehivavy ity izany ny Fandrefiala. Teo amin’ny lalao ho an’ny lehilahy, lavon’ny BCM Mayotte, tamin’ny isa 90 no ho 52, ny Premium Cobra Seychelles.

     Torcelin

    Les commentaires sont fermées.