Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CCIA : nahemotra ny fifidianana birao

    Nambaran’ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Chabani Nourdine, ny 21 septambra teo, ny fanafoanana ny fikarakarana ny fifidianana ho mpikambana ao anatin’ny biraon’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Teo anoloan’ny solonenan’ny mpilatsa-kofidina ho filoha no nilazany an’izany.

    Nandray io fanapahan-kevitra io ny minisitera satria voalaza fa maro be ny fitarainana voarainy avy any amin’ny kandidà isanisany amin’ny fomba fikarakaran’ilay vaomiera manokana (comité ad’hoc) ity fifidianana ity. Tsikaritra izany amin’ny endrika sy amin’ny votoatin’ny fikarakarana ka hita fa tsy mitovy ny lanjan’ny kandidà. Notsiahivin’ny minisitra fa tanjona ny hisin’ny fifidianana ara-dalàna sy rariny, manaja ny fitsipika sy ny lalàna velona. Hisy fepetra horaisina hikarakarana ny fifidianana manaraka.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.