Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Festival I’Trôtra » – Dihy ankehitriny : hanolotra ny « Dawn » (New Era) ry Lucky Kele

    « Festival I’Trôtra » – Dihy ankehitriny  : hanolotra ny « Dawn » (New Era) ry Lucky Kele

    Tafiditra ao anatin’ny « Festival I’Trôtra » andiany faha-13. Hiaka-tsehatra ao amin’ny Alliance Française Antananarivo, etsy Andavamamba, i Lucky Kele sy ny ekipany, ny zoma 29 septambra izao manomboka amin’ny 7 ora hariva. Fampisehoana dihy ankehitriny nampitondraina ny lohateny « Dawn (New Era) », holalaovin’izy ireo ao anatin’ny 50 mn. Novolavolaina tany Côte d’Ivoire izy ity nandritra ny fifanakalozana teo amin’ny mpanakanto avy ao an-toerana sy avy any Burkina Faso, Nizeria ary avy atsy Afrika Atsimo.

    Anisan’ny tanjon’ny « Festival I’Trôtra » rahateo ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpandihy, indrindra fa ny hananan’ny dihy ankehitriny, eto Madagasikara, fivelarana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Marihina fa ny kaompania Vahinala tarihin’i Gaby Saranouffi sy i Moeketsi Koena, eo amin’ny lafiny teknika, no mpikarakara ny « Festival I’Trôtra » izay azo adika amin’ny hoe « fihaonana ».

    Nanangona : HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.