Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ny faran’ny herinandro : hirotsaka ny orana eto Antananarivo

    Tombanan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro fa hiverina ny orana ny faran’ny herinandro izao eto afovoan-tany. Hirotsaka koa ny orana any Taolagnaro ny alakamisy sy zoma ho avy izao. Tsy hitsahatra kosa ny rotsak’orana, mandritra ity herinandro ity ho an’ny faritra andrefan’ny Nosy, any Toamasina sy ny any faritra Vatovavy Fitovinany ary ny any Atsimo Atsinanana rehetra.

    Mandrafitra ny toetry ny andro ny alizay malefaka tsy marin-toerana. Ho maina ny andro any Toliara sy any avaratra. Ny maripana, tsy hiova firy ho an’ity herinandro ity.

    Momba ny toetry ny andro anio, ny tapak’andro hariva, hilatsaka ny orana tandrifin-drahona arahin-kotroka any Nosy Be, Betsiboka, Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, ho an’ny ilany andrefan’i Matsiatra Ambony sy Ihorombe. Hanoram-baratra ny any Vatovavy-Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Taolagnaro sy ny ilany atsinanan’i Matsiatra Ambony. Hanao andro mitanik’orana eto Analamanga, any Itasy ary any Mangoro. Manerana ny faritra sisa, hifandimby ny rahona sy ny masoandro. Momba ny maripana, 16° sy 25°C ny eto Antananarivo.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.