Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety – «CCCOI 2017» : manjakazaka, tsy misy maharesy ny Fandrefiala

    Nitohy, omaly, ny fifanintsanana isam-bondrona eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI 2017), taranja basikety. Fihaonana, tanterahina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Hatreto aloha, misongadina, raha eo amin’ny sokajy vehivavy, ny Fandrefiala. Azo lazaina fa manjaka tokana ary tsy misy maharesy mihitsy ity ekipan’Analamanga, misolo tena an’i Madagasikara, ity. Fandresena hatrany ny azony, hatreto. Manaporofo izany ny nanamontsanany ny BCM Mayotte, tamin’ny isa mavesatra, 109 no ho 39. Tsy niady mihitsy ny fihaonana fa  nampijalian-dry Judith sy Vola ary Tahiana ry zareo Mahorezy. Toy ny nanao fanazarantena fotsiny izy ireo, nandritra ny fe-potoana efatra nilalaovana. Nitarika anisa hatrany ny Fandrefiala, hatrany am-boalohany ka hatramin’ny fiafaran’ny lalao. Mbola mitarika hatrany izany ny Fandrefiala, izay mbola hiatrika ny fifanintsanana farany, amin’ity anio ity, ka hifandonany amin’ny Tamifa. Adin’ny samy ekipa malagasy io. Ny Tamifa izay lavon’ny MB2 All, tamin’ny isa 67 no ho 62.

    Ankoatra izay, tsara famaranana ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny GNBC, nanilika ny Premium Cobras, avy atsy Seychelles, tamin’ny isa 75 no ho 68. Ny Beau Vallon Seychelles kosa, nandresy ny Real Basket-ball Maorisy, tamin’ny isa 95 no ho 80.

    Torcelin

     

    Les commentaires sont fermées.