Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Komity mpitantana « Ferme d’etat Sakay » : « Aoka hohafainganina ny hahazoanay cité »

    Komity mpitantana « Ferme d’etat Sakay » : « Aoka hohafainganina ny hahazoanay cité »

    Mangataka izahay mba hamoahana haingana ny “titre” ahazoanay “cité” ao amin’ny Ferme d’etat Sakay (Fesa)”, hoy ny fanambaran’ny komity mpitantana izany, omaly. Nambaran’izy ireo fa tokony hotanterahina ny fanapahan-kevitra efa noraisina. Tsy tokony hatao sakana ireo andiana olona manohintohina izany na koa manakiana befahatany ny dingana tokony hirosoana, araka ny fanambarana ihany.

    Tokony hisitraka velaran-tany 500m2 avy ireo mponina ireo miaraka amin’ny “cité”. Arakaraka ny efitrano kosa ny vola haloa eny anivon’ny sampandraharaha ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany. “Fandraisana anjara izany mba hahazoanay tanteraka ny tany sy ny trano”, hoy ihany izy ireo. Nohamafisin’izy ireo fa tsy tokony hitebiteby ireo mponina ao an-toerana ary niantso fitoniana ny eo anivon’ny komity. “Aoka ho tony isika fa tsy miala eo intsony isika. Efa nanao ezaka amin’ny fizarana, “titre” faobe ny fanjakana ary isaorana izy ireo amin’ny famaliana ny fangatahanay io tanana navelan’ny vazaha io”, hoy ihany izy ireo.

    Randria 

    Les commentaires sont fermées.