Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fivahiniana tany ivelany : nanazava ny raharaham-pirenena tany New York ny Tim

    Nihaona tamin’ny laharana fahatelo eo anivon’ny ONU, Taye Brook Zerihoun ny delegasiona Tim, notarihin-dRavatomanga Roland. Voaresaka tamin’izany ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Anisan’izany ny fikasan’ny fitondrana hanao amboletra ny hanova na hanitsy ny lalàmpanorenana. “Manahy korontana izahay raha mikiry biby hanao izany ny mpitondra”, hoy izy ireo. Eo koa ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana, tena marefo. Manampy izany  ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny vahoaka malagasy. Ny kolikoly mihanaka sy mameno ny rafi-pitondrana sy ny andrimpanjakana manontolo. Eo koa ny fibodoan’ny vahiny sy mpanambola ny tany maro manerana ny Nosy ka anongotana amin-kery sy bodongerona ireo Malagasy mipetraka eo.

    Tsiahivina fa anisan’ny anatin’ny delegasion’ny Tim tany New York, ny depiote Randrianarisoa Guy Rivo, ny ambasadaoro teo aloha, Rakotoarivony Jean-Pierre.

    Etsy andaniny, nihaona amin’ny Tim faritra Boeny sy ny eo anivon’ny distrika any Mahajanga ny mpanolotsain’ny Tanànan’Antananarivo, omaly, tany amin’iny faritra iny. Voaresaka tamin’izany ny fampitam-baovao sy ny hanatsarana hatrany ny antoko ary koa ny fifampizarana traikefa. “Avelao ny disadisa sy ny mety ho tsy fifankahazoana. Tanjona ny hamerenana ny filoha Ravalomanana eo amin’ny fitondrana”, hoy izy ireo.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.