Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – Fanomanan-tena : ny fihaonan’ny Barea amin’i Ogandà ihany no raikitra

    Kitra – Fanomanan-tena : ny fihaonan’ny Barea  amin’i Ogandà ihany no raikitra

     Ny fanomanan-tena, hikatrohana amin’ny The Cranes, Ogandà, ihany no raikitra tamin’ireo fihaonana telo voalahatra. Tsy afaka tamin’ny fotoana farany i Kaomoro sy ry zareo Irakianina. Hatao any Kampala  ny lalaon’ny roa tonta.

    Na efa voalahatra fa hanao lalao ara-pirahalahiana amin’i Kaomoro sy i Irak aza, ny Barea de Madagascar dia fantatra izao fa tsy ho raikitra indray izany. Ny tsy fahafahan’ireo ekipa roa tonta ireo ny anton’izany, raha ny angom-baovao voaray. Ny fifandonana amin’ny The Cranes Ogandà, ihany izany sisa no hatrehin’ny ekipam-pirenena malagasy. Fihaonana tanterahina any Kampala, Renivohitr’i Ogandà, ny 4 oktobra, ho avy izao.

    Ireo mpilalao mpila ravinahitra avy any Frantsa sy La Réunion ary Soisa no nantsoin’ny mpanazatra mirahalahy, i Nicolas Dupuis sy i Raux Auguste, handrafitra sy hiatrika io lalao io. Noho ireo mpilalao eto an-toerana ao anatin’ny fanatanterahana ny fifaninanam-pirenena ny nandraisana izao fanapahan-kevitra izao.

    Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fanomanan-tenan’ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2019), ity lalao hikatrohana amin’i Ogandà ity.

    Samy hiady ny ho lohany ny Barea sy ny senegaley

    Tsiahivina fa lalao manaraka hatrehin’ny Barea, amin’izany dia ny fifandonana amin’ny Lion’i Téranga, avy any Senégal, ny 19 marsa 2018. Fihaonana hotontosaina etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Samy manana isa 3 avy ny Barea de Madagascar sy ny Lion’i Senegal, saingy manantombo eo amin’ny “goal difference” ry zareo Senegaley. + 3 ny azy raha + 2 ny an’ny Barea de Madagascar. Hiady izay ho lohany ao amin’ity sokajy “A” ity izany ny roa tonta amin’ity.

    Marihina fa tsy ekipa vaovao amin’ny Barea de Madagascar, akory i Sénégal fa efa nifanandrina tamin’ny Barea, teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2018”. Nisaraka ady sahala, 2 no ho 2, teo Mahamasina saingy resin-dry zareo, nandritra ny lalao miverina.

    Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.