Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taratry ny kanto

    Henri Ratsimbazafy sy Voahirana. Fampiaraham-peo sy talenta efa an-taony maro no tsy hitan’ny mpankafy an-tsehatra. Hiverina indray izany, anio, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany alina, etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Araka ny efa nambaran’ireto mpanakanto ireto, hifandimby amin’ireo ireo hira tsy tontan’ny ela nahafantarana an’i Voahirana sy i Henri Ratsimbazafy. Haverina koa ireo tsy faheno an-tsehatra firy. Marihina fa mbola hisy ny seho faharoa ny alahady 1 oktobra, ao amin’ny CCEsca ihany, saingy amin’ny 3 ora tolakandro indray.

    Inah, etsy amin’ny Piment Café. Mitohy hatrany ny fiakarana an-tsehatra hoan’i Inah. Manome fotoana ireo mpankafy, etsy  Behoririka indray izy, anio alina. Mbola ao anatin’ny fampahafantarana ilay rakikirany voalohany, “Ho doria” ihany ity fiarahana ity. Mazava loatra fa hisesy ao ireo hira tena maro mpankafy ao anatin’ny vokatra, toa ny “Fitiavana be”, “Tsotra” ary “Feno fitia”. Tsy hohadinoana koa anefa ny famerenana ireo hiranan’olon-kafa, manavana an’i Inah hatramin’izay.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.