Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « The best of rock » : fampisehoana metaly ranoray

    « The best of rock » : fampisehoana metaly ranoray

    Hatao ny alahady 1 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 11 ora antoandro ao amin’ny efitrano malalaka Tony Club eny 67 ha ny fampisehoana rindran-kira rock, mifototra amin’ny gadona metaly. Handray anjara amin’izany ireo tarika valo kalaza eto an-toerana, Resurrection, Sasamaso, Angaroa, Allkiniah, Behind the mask, El Dino, Nisea ary Aurora The Revival. Mikarakara ity fampisehoana ity ny fandaharana Distorsion ao amin’ny radio RDJ, manohana ny tarika Mmalagasy mivoy ny rock sy ny metaly.

    Samy manana ny gadona mampiavaka azy ireo tarika ireo, toy ny Thrash metal (Sasamaso), ny speed/symphonic metal (Resurrection sy Nisea), ny power metal (Allikiniah), ny Hardcore/metalcore (Behind The Mask), sns.

    Nambaran’i Miora mitarika ny Resurrection fa anisan’ny hoentiny mandritra ity The best of rock ity ny hirany vaovao, “Rangotry ny maty”. Anisan’ny raki-tsariny faharoa io hira io.

    Gix

    Les commentaires sont fermées.