Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitry ny Paositra : “Tsy tokony hovantanina krizy indray amin’ny 2019”, hoy ny minisitra Neypatraiky R.

     Ho an’ny minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra, Rakotomamonjy Neypatraiky, samy manana ny fandraisany azy ny tsirairay mikasika ny fanitsiana na tsia ny lalàmpanorenana.

    Ny hevitrao mikasika ny eritreritry ny filoham-pirenena hanova ny lalàmpanorenana?

    Mandeha be ny resaka mikasika io fanitsiana io. Samy manana ny fandraisany azy ny isan-tsokajiny. Milaza ny andininy faha-47 ao amin’ny lalàmpanorenana fa tokony hatao 30 hatramin’ny 60 andro ny fifidianana filoham-pirenena, mialoha ny ahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filoha am-perinasa.

    Raha ny nitranga hatramin’izay, sarotra ny haminavina ny hana  trarana ireo fe-potoana ireo, indrindra ny fihodinana faharoa. Izay no hikaonandoha hanitsiana ny lalàmpanorenana, mba hisian’ny fitoniana aorian’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy handroso ny firenena raha hiaina hatrany ao anaty korontana, ka hovantanina krizy indray ny taona 2019.

    Inona ny fanitsiana tokony hatao amin’io andininy faha-47 io?

    Tokony hatao mazava hoe tsy ampy io fe-potoana io satria mila mahay mitsinjo rehefa mitantana. Tsinjaraina miavaka ny fandaminana ny fihodinana voalohany sy ny fe-potoana hanaovana ny fihodinana faharoa raha misy”. Mitambabe mantsy ireo ao anatin’ny andininy faha-47 misy ankehitriny.

    Angatahin’ny maro koa ny tokony hifidianana mivantana ny sefo fokontany. Ny ankehitriny, olona telo na dimy no fidina, avy eo tendrena ny iray amin’ireo. Koa, raha olona any amin’ny laharana fahatelo na fahadimy, azo tendrena ho sefom-pokontany, izay tsy manaja ny safidim-bahoaka tiantsika hatao ho ara-dalàna. Manampy ireo, tokony hampidirina ao anatin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD) ny fokontany satria voafidin’ny fokonolona sady akaiky indrindra azy ireo.

    Nahoana no izao ianareo vao mieritreritra izany fanovana izany ?

    Natao iasana ny lalàna efa mipetraka, fa eny an-dalana vao mahita hoe hay tokony hatsaraina ilay izy. Mitondra fanatsarana isika fa tsy hanova fahatany. Noho izany, kasaina hatao ny fanatsarana ny lalàmpanorenana, mba hitondra ny firenena amin’ny lalàna velona sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.