Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Analamanga Park : bungalow telo kila hotohoton’ny afo

    Analamanga Park  : bungalow telo kila hotohoton’ny afo

    Kilan’ny afo ireo bungalow telo eny amin’ny toeram-pialamboly Analamanga Park, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Voalazan’ny loharanom-baovao teny an-toerana fa doro tanety teny amin’ny manodidina an’Analamanga Park no niitatra ka nahazo ireo bungalow telo tao an-toerana. Hatairana ny an’ireo olona teo amin’ny manodidina nahita ireo trano nirehitra. Tsy misy noraisina intsony ireo trano fa avotra soa aman-tsara kosa ny entana tao anatiny. Tsy fantatra izay tompon’antoka tamin’ny fandorana ny tanety ka niafara tamin’ny fahamaizan’ireo bungalow telo ireo. Ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ny mponina, araka ny fanazavana voaray. Fotoana fohy taorian’ny firehetana, tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo. Tsy nisy ny olona naratra na koa aina nafoy nandritra izao fahamaizana izao.

    Tonga nanao fanadihadiana teny an-toerana ny zandary.

    Tsikaritra tato ho ato fa misy andian’olona manao an-kasomparana mandoro tanety, saingy ahitan-doza hatrany izany rehefa miitatra ny afo.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.