Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Henri Ratsimbazafy sy Voahirana : kanto ombain-kanto ilay fampisehoana

    Henri Ratsimbazafy sy Voahirana  : kanto ombain-kanto ilay fampisehoana

     Zoma alina… Alahady tolakandro. Fampisehoana nahatsiarovana zavatra maro. Nisongadinan’ny fitiavana. Tafaraka teny an-tsehatra indray i Henri Ratsimbaza sy i Voahirana…

    Indroa miantoana ny seho tao amin’ny CCEsca Antanimena. Nahariharin’ireo fampisehoana ireo fa mbola tena manana ny maha izy azy ny fampiaraham-peon’i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana eny an-tsehatra. Niaka-tsehatra i Voahirana. Nodimbiasan’i Henri Ratsimbazafy. Firazana faharoa, niroso tamin’ny fampiaraham-peo. Raha akapoka ho iray, kanto ombain-kanto ny nahitana ireo fifandimbiasana teny an-tsehatra ireo.

    Na nandritra ny fihirana tsirairay, na tamin’ny fiarahana teny an-tsehatra, samy mbola nanaporofo fa tsy nisy fiovana ilay feo kanto ananan’i Henri Ratsimbazafy sy i Voahirana hatramin’izay. Voatazona tsara rahateo ilay fandrindrana teo amin’ny hira tsirairay, hany ka tafapaka avy hatrany tany amin’ny mpijery ny « Kanefa ianao tsy tonga », « Fitiavan’ankizy », « Voahirana », sns. Mbola nanasongadina izay kanto ombain-kanto teo amin’ity fampisehoana tetsy amin’ny CCesca Antanimena ity izay ihany koa ny niakanjoan’i Henri Ratsimbazafy akanjo vita amin’ny landy. Nasongadiny manokana teny an-tsehatra rahateo ny fahaizan’ny Haihaingo Landy tamin’ny fampiakanjoana azy. Fitafy malagasy, aingam-panahy malagasy, feo malagasy. Kanto ombain-kanto !

    Ho an’ireo mpijery maro tonga teny an-toerana : « mila tohizana hatrany ny fampisehoana tahaka itony ».

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.