Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitsy toraka : resy tanteraka

    Tanteraka ihany ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCCOI), taranja basikety, na tao anatin’ny fahoriana aza. Tsy mba tao anatin’ny fetibe toy ny mahazatra ny namaranana azy fa nangina, satria nivoaham-pahoriana noho ny fahafatesan’ny mpanazatran’i Seychelles, mialoha izany famaranana izany. Na lasan’ny ekipa malagasy 100% aza ny amboara, tsy natsiro noho ny fansembanan’io raho-mainty io. Nandresy teny ambony kianja i Madagasikara, saingy resy tanteraka noho ny fahalalan’ny rehetra fa pesta ny nahafaty ilay mpanazatra. Fahafaham-baraka satria ilay Nosy lehibe indrindra amin’ireo mpandray anjara no mbola anjakan’izany aretina izany, ankehitriny. Tsy an’ny federasiona irery ny faharesena fa an’i Madagasikara iray manontolo.

    Faharesena tanteraka satria nosakanan’ny pesta ny mpijery ka tsy afa-nikorana sy nihoby ilay fahazoana amboara. Resy tanteraka, satria nahazo laza ratsy maneran-tany, fa lavon’ny pesta ny basikety Malagasy. Mifaly tapany ny ekipa satria feno ranomaso ilay amboara ary hipoky ny alahelo ny kianja. Voalohany aty amin’ny faritra fahafito, nefa resin’ny pesta.

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.