Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra fanomanantena : nantsoin’i Nicolas Dupuis hiverina ao amin’ny Barea i Bôlida

    Kitra fanomanantena  : nantsoin’i Nicolas Dupuis hiverina ao amin’ny Barea i Bôlida

     Hanafika atsy Ogandà, rahampitso alarobia, ny Barea de Madagascar, hiatrika lalao fitsapana, amin’ny The Cranes. 16 monja ireo mpilalao nantsoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Anisan’izany i Bôlida, mpilalaon’ny Paris FC.

     

    Hotanterahina, rahampitso ao amin’ny kianja Kampala, Renivohitr’i Ogandà, ny fihaonana ara-pirahalahiana, hikatrohan’ny Barea de Madagascar sy ny The Cranes, Ogandà. Mpilalao 16 no nantsoin’i Nicolas Dupuis sy i Auguste Raux, mpanazatra, hiatrika izany. Avy any ivelany avokoa ny 15 amin’ireo : Frantsa, Belzika, Soisa, Alzeria ary Arabia Saodita. Anisan’ireo naverin’i Nicolas Dupuis i Bôlida. Tsy ao anatin’ny lisitra ho any Ogandà kosa anefa i Abel Anicet, mpilalaon’ny Ludogorets, Bulgarie, sy i Rinjala, avy any Soisa, ary i Mamy Gervais, avy atsy La Réunion sy i Voavy Paulin. Tsy misy afa-tsy i Damien, mpiandry tsatobin’ny Tana Formation, ihany kosa ny mpilalao avy eto an-toerana. Tsiahivina fa fanomanantena amin’ny lalao hikatrohana amin’ny Lionan’i Téranga avy any Sénégal, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019”, ity lalao ity.

    Torcelin

    Toy izao ireo mpilalaon’ny Barea :

     

    1 -Dabo Ibrahim – (FC Gobelins) – Frantsa

    2- Ramaritany Damien – (Tana Formation) – Madagasikara

    3- Fontaine Thomas – (Clermont Foot) – Frantsa
    4- Rambeloson Toavina – (US Tourcoing) – Frantsa
    5- Randriamanantena Mickael – Soisa
    6- Razakanantenaina Pascal – (Arras FA) – Frantsa
    7- Herimanjakarivo Patrick – (AS Fabregues) – Frantsa

    8- Hamada Ibrahim – (MC Alger) – Alzeria
    9- Caloin Dimitri – (SO Cholet) – Frantsa
    10- Raheriharimanana Jean Stephan – (Red Star) – Frantsa
    11- Ramanamahefa Ferdinand Falihery – (RC Fléchois) – Frantsa
    12- Randriambololona Zotsara – (Antwerp FC) – Belzika
    13- Randriantsara Hery – (FC Tarbes) – Frantsa

    14- Andriamahitsinoro Carolus – (Medina) Arabie – Saodita
    15- Nomenjanahary Lalaina – (Paris FC) – Frantsa
    16- Andriatsima Faneva Ima – (FC Sochaux-Montbelliard) – Frantsa

     

    Les commentaires sont fermées.