Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ligy Analamanga : lavon’ny TFMA ny Cheminots

    Ligy Analamanga : lavon’ny TFMA ny Cheminots

    Rava tsy lera ny lalaon’ny Cheminots sy ny TFMA, teo amin’ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja rugby. Fihaonana, teo amin’ny «Top 9», notanterahina teo amin’ny kianja Malacam Antanimena. Tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny mpitsara ny mpilalao sy ny mpanazatra ny Cheminots ka niala tsy nanaiky hanohy ny fihaonana intsony, telo minitra tsy hifaranan’ny fihaonana. Marihina fa nisaraka tamin’ny isa 27 no ho 21 ny roa tonta ka nitarika tamin’izany ry zareo TFMA. Niady tanteraka ny lalao ary somary henjankenjana ny fifandonana, teo amin’ny roa tonta. Nifanakaiky rahateo ny isa, teo amin’izy ireo.

    Andrasana izany izay ho fanapahan-kevitry ny ligin’Analamanga, amin’io fihaonana io. Mandra-piandry izany, nomontsanin’ny 3 FB, tamin’ny isa mazava 38 no ho 24, ny Matadore. Mbola nisongadina indray teto ny fahaiza-manaon’ireo mpilalaon’ny minisiteran’ny Fahasalamana.

    Teo amin’ny lalaon’ny “Elite II” indray, resin’ny TFMA, tamin’ny isa 16 no ho 9, ny Aska ary lavon’ny Aigle Vert, tamin’ny isa 17 no ho 9, ny Dragon Rouge.

    Torcelin

    Les commentaires sont fermées.