Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Noho ny pesta… : nahemotra ny seho ankalamanjana

    Noho ny pesta…  : nahemotra ny seho ankalamanjana

    « Aleo hazava ny resaka, fa noho ny antony tsy miankina aminay mpikarakara no hanemorana ny fifanintsanana farany ahitana izay handrombaka ny amboara amin’ny « Hiragasy makotrokotroka » » ! Saika fanazavana tahaka io nataon’i Faly Andrianarivelo (Haigasy Production) io avokoa  ny nentin’ireo rehetra nikarakara fampisehoana an-tsehatra na hetsika kolontsaina ankalamanjana, omaly, ka voatery hahemotra amin’ny fotoana manaraka.

    Raha ny fanazavan’izy ireo hatrany, noho ny trangan-javatra nisy teto an-dRenivohitra (resaka fisian’ny pesta) ny antony nanafoanana ny hetsika.

    Ho an’ny « Hiragasy makotrokotroka » manokana, nambaran’ny mpikarakara fa amin’ny alahady izao no hanatanterahana ny fifanintsanana hifanandrinan-dRakotomandimby Jean Pierre avy any Morarano Gara sy ny tarika Rafaralahy Raymond Ambatoantrano.

    Mila hitadiavam-bahaolana haingana ny « resa-pesta » satria iankinan-javatra maro ny fitarazoan’izany eto Madagasikara.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.