Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    RN 2 : Sprinter nivadika, olona dimy naratra

    RN 2  : Sprinter nivadika, olona dimy naratra

     Io indray ! Taksiborosy Sprinter iray an’ny kaoperativa iray eny Ambodivona nitondra mpandeha hihazo an’i Toamasina no niharan-doza tampoka tao Tsaravintana, tanàna eo anelanelan’Ampasimbe sy Antsampanana, omaly tolakandro. Tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza fa niala ny arabe ilay fiara ka namantana tamin’ny rindrin-tany. Vokany, nivadika ny fiara ka nipitika avy eny ambony fitoeran’entana ny entan’ireo mpandeha. Voalazan’ny mpandeha iray tao anatin’ilay taksiborosy kosa fa somary hafahafa ihany ny fandehan’ilay taksiborosy mialoha ny nitrangan’ny loza. Nilaza ity mpandeha iray nijoro vavolombelona ity fa resin-tory teo ambony familiana ilay mpamily ka izay ny antony nahatonga izao loza izao. Hatairana ny an’ireo mpandeha tao anatin’ilay taksiborosy tamin’ny fotoana nivadihan’ny fiara. Olona dimy no voalaza fa tena naratra tamin’ity lozam-piarakodia ity. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Nentina haingana ao amin’ny hopitalin’i Brickaville ireo naratra. Tonga nanao fanadihadiana teny an-toerana ny zandary.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.