Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Harena an-kibon’ny tany : nijery ny vahaolana i Alemaina sy i Madagasikara

    Nitsidika ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Zafilahy Ying Vah, omaly  teny Ampandrianomby, ny delegasiona alema notarihin’i Gunter Nooke, i Christiane Kraus, ary ny masoivoho eto amintsika, i Harald Gehrig. Nanatevina izany delegasiona izany ny solontenan’ny GIZ. Nifampidinihan’izy ireo ny mahakasika ny fitrandrahana madinika sy vaventy, ny olana misy sy ny vahaolana, hanatsarana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ao anatin’izany ny fanajana ny tontolo iainana.

    Tsy azo lavina fa misy ny kolikoly ao amin’io sehatra io,  koa ezahina ny hanafoanana izany hahafahana mandroso, tokony hahazoan’ny mponina eny ifotony tombontsoa misy izany fitrandrahana izany. Ny minisitera rahateo, manana ny fanamby hoe « fitrandrahana mampidi-bola ».

    Notsiahivin’ny minisitra fa hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, sambany eto Madagasikara no tafakatra roa taonina ny volamena nambara ara-dalàna. Ezaka tsara izany ary hirariana ny mbola hitohizany hahafahana mitsinjo sy mampandroso eny ifotony, nipoiran’ireo harena ireo. Marihina fa ny 30 septambra lasa teo, nanatanteraka fitsidihana tao amin’ny orinasa Ambatovy i Gunter Nooke.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.