Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ampasampito : nandrarahana fanafody ny Gare routière

    Ampasampito  : nandrarahana fanafody ny Gare routière

    Hentitra ny fepetra noraisina eny amin’ny Gare routière Ampasampito. Natsangana ny foibe fitiliana ny aretina pesta ho an’ireo mpandeha taksiborosy. Norarahana fanafody miady amin’ny mikraoba teny an-toerana.

    Manoloana ny fiparitahan’ny  pesta sy ny valan’aretina maro samihafa eto an-dRenivohitra ankehitriny. Nandraraka fanafody mamono mikraoba ny avy eo anivon’ny Gare Routière Ampasampito.

    Efa fanaon’ireo mpitantana ity toeram-piantsonana ity ny mandraraka fanafody eny an- toerana sy amin’ireo fiara mifamezivezy isan-telo volana. Noho izao toe-java-misy ankehitriny izao anefa dia tanterahina isaky ny telo andro ity hetsika ity.

    Miara-miasa amin’izy ireo ny ATT. Tompon’andraikitra amin’ny fitantanana ireo toeram- piantsonan’ny fiara mpitatitra rehetra ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

    Napetraka teny an-toerana koa ny foibe fitiliana ny aretina pesta ho an’ireo mpandeha taksiborosy. Hatao izany mba tsy hiparitahan’ny aretina amin’ireo mpandeha miala eto Antananarivo sy ireo vao tonga eto Antananarivo.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.