Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Beroboka Belo Tsiribihina : olona sivy maty novonoin’ny dahalo nandritra ny fifandonana

    Beroboka Belo Tsiribihina : olona sivy maty novonoin’ny dahalo nandritra ny fifandonana

    Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika tany Antanandava, kaominina Ambanivohitra Beroboka any amin’ny distrikan’i Belo Tsiribihina, omaly maraina. Araka ny vaovao avy any an-toerana, dahalo ampolony maro nirongo fiadiana no nanafika tany an-toerana. Nanohitra ny mponina ka olona telo no matin’izy ireo tao an-tanàna. Ny iray maty voatifitra, ny roa kosa voakapan’ny famaky. Omby 60 nalain’ireo dahalo tamin’izany, kanefa mbola nandroba ihany koa izy ireo. Tsy vitan’izany fa mbola nitondra vatan-dehilahy sy vehivavy izy ireo nataony takalon’aina sy nitondra entana. Ilay vehivavy navotsotr’ireo dahalo rehefa lasa lavitra.

     Nantso vonjy tamin’ny mpitandro filaminana tany Belo Tsiribihina ny mponina saingy nilaza ireo fa ny avy any Morondava no tokony antsoina fa tsy afaka manao fanarahan-dia ireo. Ny mponina ihany, araka izany, no nanao fanarahan-dia ka nifakatratra tamin’ireo dahalo. Raikitra ny fifandonana ka olona enina no matin’ny tifitry ny dahalo tamin’izany. Mbola nitohy hatramin’ny omaly hariva, ny fifandonana, tsy nisy mpitandro filaminana tonga tany an-toerana. Mitaraina tamin’ny antso an-tariby taty an-dRenivohitra ny mponina. Fa nankaiza ny zandary, miady amin’ny pesta?

    Yves S.

     

    Les commentaires sont fermées.