Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanomanana ny faha-10 taona : hanolotra ny « Hiran’ny Lanitra » ny V.H.F

    Fanomanana ny faha-10 taona  : hanolotra ny « Hiran’ny Lanitra » ny V.H.F

    Tarika anisan’ny manana ny mampiavaka azy eo amin’ny fiangaliana ny tontolon’ny hira fiderana ny Vavaka – Hira – Fiderana na ny V.H.F . Mialoha ny hetsika hanamarihana ny faha-10 taony, hisy ny fampisehoana lehibe iray.

    « Hiran’ny Lanitra », fampisehoana iray lehibe hotanterahin’ny tarika Vavaka – Hira – Fiderana na ny V.H.F, ny 8 oktobra izao manomboka amin’ny 3ora tolakandro, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Seho tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fankalazana ny faha-10 taon’ity tarika miavaka amin’ny fanaovana hira fiderana amina gadona gasigasy ity. « Vaovao avokoa ny mpikambana ao amin’ny tarika »,  hoy i Parfait Lalanirina, mpanorina ny V.H.F sady mpamoronkirany rahateo. Mahatratra 11 mianadahy izy ireo no hanatanteraka ny fampisehoana « Hiran’ny Lanitra ». « Ho tokana ihany io fampisehoana lehibe io mandra-pahatonga ny hanamarihana ny faha-10 taon’ny tarika amin’ny taona 2018. Na izany aza, mitohy hatrany ireo fanaonay isaky ny alahady any anivon’ny fiangonana samy hafa », hoy hatrany i Parfait Lalanirina. Ho vahinin’ny V.H.F amin’ity fampisehoana ity ny TGC

    Fantatra fa taorian’ny nivoahan’ny rakitsary (DVD) « Best of » an’ny tarika V.H.F, eo am-panomanana rakitsary laharana fahefatra ankehitriny ry zareo.

    Raha tsiahivina, anisan’ny nandrafitra ny tarika tany am-boalohany i Bodo, i Luk, i Mahery, i Francia, i Lilie, sns.

    HaRy Razafindrakoto

     

    Les commentaires sont fermées.