Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fara West Faravohitra : hisy fanomezam-boninahitra an’i Jeanot Rabeson

    Fara West Faravohitra : hisy fanomezam-boninahitra an’i Jeanot Rabeson

    Jeanot Rabeson, andrarezin’ny mozika jazz. Vao tsy ela akory izay no nodimandry ity mpanakanto ity. Ho fahatsiarovana azy, hisy ny fampisehoana miavaka izay hotontosaina etsy amin’ny Fara West Faravohitra, ny 7 oktobra ho avy izao. “Nanam-bintana izahay nanokatra ny “café musical” tato niaraka tamin’i Jeanot Rabeson, ny 24 avrily 2016. Nanamarika ny tantaran’ny mozika jazz malagasy ity mpanakanto ity, ka rariny loatra raha manokana fotoana ho azy izahay amin’io”, hoy ny nambaran’i Eric Rakotoary.
    Anisan’ireo hitendry sy hanafana ny fotoana i Eric Rakotoary, miaraka amin’i Datita Rabeson sy Eddy Rabary. Raha toa ka misy mpanakanto hafa te hanao izay tsiaro sy fanomezam-boninahitra izay koa dia misokatra ho azy ireo ny toerana. Afaka manatona ny mpiandraikitra ny toerana, mba hanomanana tsara ny fifandimbiasana an-tsehatra ireo mpanakanto liana sy te handray anjara amin’izany fanomezam-boninahitra izany.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.