Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fepetra isorohana ny pesta : nikatona avokoa ny sekoly eto an-dRenivohitra

     Araka ny fanambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny onjampeo sy ny fahitalavitra omaly, tsy misokatra ny sekolim-panjakana manerana ny Cisco Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano. Nanaraka ny toromarika koa ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana sy ny ivontoeram-pampianarana mampihatra ny rafitra frantsay sasany. Nisy ihany koa ny toeram-pampianarana nanohy ny fampianarana toy ny mahazatra ihany, omaly fa nasaina nitondra takom-bava fotsiny ny mpianatra rehetra, toy ny teny Ankadifotsy. Tao ny mpitantana nandraraka fanafody mamono bibikely ny efitrano fianarana ka tsy azo nosokafana mihitsy aloha izany hampahomby azy.

    Samy manana ny fepetra noraisiny ny sekoly tsirairay fa tanjona ny hitsinjovana ny fahasalaman’ny mpianatra sy ny mpanabe.

    Ny alatsinainy izao vao hiverina an-dakilasy ny mpianatra ka tokony ho efa nandraraka fanafody nandritra ny fotoam-pitsaharana ny tompon’ny sekoly.

    Voakasiky ny fepetra koa ny Cisco Toamasina I sy II.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.