Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jean Nirina – Hafari : “Navelako ny helok’ireo mpitory”

     « Tsy hoe nijanona fa nizotra antsakany sy andavany ny asan’ny Hafari malagasy tamin’ny alalan’ireo mpiara-miasa rehetra na tsy teo aza ny tenako. Tsy manana lolom-po na valifaty na amin’iza na iza izahay. Efa namela ny helok’ireo mpitory rehetra koa aho”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Hafari malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly. Nohamafisiny hatrany fa sesilany ny fitarainana marobe taorian’iny didim-pitsarana ka nahafahany madiodio iny. Maro ireo zavatra hohatsaraina ary mitohy hatrany ny asan’ny Hafari malagasy indrindra ny lafiny fiahiana ny sosialim-bahoaka. Isan’izany ny fijerena manokana ny zon’ny voafonja. Nilaza izy fa ny fahateren’ny fonja no antony iray mahatonga ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny fifangaroan’ny voafonja ao am-ponja hany ka lasa sekoly ny fonja ho an’ny voafonja sasany. Tsy misy zavatra ataon’ny voafonja afa-tsy ny mifampiresaka mandritra ny tontolo andro.  “Raha tiana ny hisian’ny fandriampahalemana dia tokony hojeren’ny tompon’andraikitra akaiky ny momba ny fonja. Manan-jo hiaina mitovy amin’ny rehetra ny voafonja. Manan-jo hotsaboina ivelan’ny fonja izy ireny raha tojo tsy fahasalamana”, hoy hatrany izy.

    Manoloana izany, hisehatra mafimafy momba ny zon’ny voafonja ny Hafari malagasy manoloana ny zava-misy iainan’ny voafonja eny am-ponja.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.