Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankazobe : olona iray matin’ny lozam-piarakodia

     Maty ny iray amin’ireo mpandeha tamin’ilay taksiborosy nivadika tao Ankazobe RN 4, afakomaly maraina. Araka ny fampitam-baovao voaray, taksiborosy Sprinter nitondra mpandeha niainga avy any Befandriana Avaratra, ny alatsinainy teo ary hihazo aty an-dRenivohitra no tra-doza tampoka teo amin’ny 30 km tsy hidirana an’Ankazobe eo anelanelan’i Manankazo sy i Firarazana. Nivadika tao anaty fiolahana sady fidinana ilay taksiborosy rehefa nifanena tamin’ny fiara Sprinter iray hafa izay somary nangalatra afovoan-dalana. Niezaka niala izany ny mpamilin’ilay taksiborosy ka nivadika ny fiara. Vokany, naratra avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha tao anaty fiara, raha namoy  ny ainy kosa ny iray. Lasa nirifatra nitsoaka anefa ilay fiara nahatonga ny loza, araka ny fanazavana voaray fa tsy sahy nijanona. Nentina haingana namonjy ny hopitalin’Ankazobe ireo naratra sy ny fatin’ilay niharam-boina. Tonga nanao fanadihadiana sy nandamina ny fifamoivoizana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny zandary.

    Matetika ahitan-doza hatrany ao Ankazobe. Vao tapa-bolana lasa izay, mpampianatra telo indray namoy ny ainy raha ampolony maro naratra tao an-toerana. Aoka ho mailo hatrany fa tampoka ny fiavian’ny loza.

    J.C

     

    Les commentaires sont fermées.