Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andrefan’Ambohijanahary : olona maty tampoka an-dalana

     Niteraka fisavoritahana teo amin’ireo olona teny Andrefan’Ambohijanahary sy ny manodidina ny fahitana lehilahy iray maty tampoka an-dalana, omaly antoandro. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga, somary hafahafa ny fahitana ilay lehilahy satria nandoa ra izy ka namoy ny ainy avy hatrany taorian’izay. Nikoropaka ny olona rehetra teny an-dalana raha nahita ny zava-nanjo ity lehilahy ity. Tao ireo nihazakazaka saika tsy nahita ny lalan-kombany intsony, tao indray ireo nanampim-bava avy hatrany fa hoe sao tratran’ny pesta ilay niharam-boina. Nitsirara ilay niharam-boina ka tsy nisy sahy nanatona teny akaikiny ireo olona noho ny tahotra sao hifindran’ny pesta. Tonga teny an-toerana naka ny fatiny ny avy amin’ny BMH. Tsy mbola fantatra mazava aloha hatramin’ny omaly na aretina tsotra na pesta ny nahazo ity lehilahy maty an-dalana ity.

    Tsikaritra tato ho ato fa niteraka tahotra ho an’ny olona ity aretina pesta ity. Tsy sahy mifandray tanana sy mifanakaiky intsony ny olona rehefa miresaka noho ny tahotra ity areti-mandoza ity. Lasa vazivazy sisa ny handraisan’ny olona izany hoe pesta politika io. “Ovay ny lalàmpanorenana” hoy ny olona sasany fa afaka ho azy io pesta io.

    J.C

     

    Les commentaires sont fermées.