Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao : “Tsy nahazo fanampiana ara-bola ny CUA”

    Ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao : “Tsy nahazo fanampiana ara-bola ny CUA”

     Anisan’ny nivoitra tamin’ny lahatenin’ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, tetsy Anosy, omaly ny olana sedrain’izy ireo. “Tsy afa-miasa izahay noho ny tsy nahazoana ny vola fanampiana avy amin’ny fanjakana. Hatramin’ny naha mpitantana ahy ny oktobra 2015 ka hatramin’izao tsy nisy izany. Nahazo anefa ireo mpitantana ny tanàna teo aloha rehetra ”, hoy izy. Notsiahiviny fa voasoratra amin’ny tetibolam-panjakana taona 2015-2016 anefa izany. Nohitsiny fa kely ny tetibola natokana ho azy ireo. Manodidina ny 3% izany. Manoloana izany, nambarany fa tokony hiara-kiasa hatrany ny fitondrana sy ny eny anivon’ny kaominina. “Manantena izahay fa hahazo raha ny voalazan’ny kabarin’ny filoha sy ny praiminisitra teo… Hohatsaraina ny fampidiran-ketra ary hampanarahina amin’ny teknolojia izany. Tahaka izany koa ny fanavaozana ny fitantanana mba hipetraka ny tamberin’andraikitra eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka”, hoy izy. Nambarany fa eo am-pandinihana ny hetsika rehetra maharitra momba ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny tanàna izy ireo izao.

    Synèse R. 

     

    Les commentaires sont fermées.