Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Cisco CISCO Antananarivo Renivohitra : hitohy tsy hianatra ny sekoly amin’ny herinandro ambony

    Cisco CISCO Antananarivo Renivohitra  : hitohy tsy hianatra ny sekoly amin’ny herinandro ambony

    Mbola ao anatin’ny fotoana fanaraha-maso sy fiarovana amin’ny valanaretina pesta ny tontolon’ny fanabeazana amin’izao fotoana izao. Vita ny fandrarahana fanafody ny efitrano fianarana amin’ny sekoly 115 sy ny birao rehetra ao anatin’ny Dren Analamanga sy ny Cisco nahitana ny aretina niampy ny sekolim-panjakana manerana ny Nosy.

     

    « Miato ny fampianarana amin’ny herinandron’ny 9 oktobra hatramin’ny zoma 13 oktobra ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny mpianatra », hoy ny tale jeneralin’ny fanabeazana fototra, ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana, Andriamampandry Todisoa, omaly teny Anosy. Voakasiky ny fitsaharan’ny fampianarana ny sekoly rehetra miankina amin’ny fanjakana na ireo tsy miankina ao anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny Cisco Antananarivo Avaradrano, ny Zap efatra : Ankadikely Andrefana, Ankadikely Atsinanana, Sabotsy Namehana ary Ambohimangakely. Ny Cisco Antananarivo Atsimondrano ho an’ny Zap Tanjombato, Soavina ary Bemasonadro; ankaraobato ary Andoharanofotsy. Itaosy, Andranonahoatra, Ambavahaditokana ary Ambohidrapeto. Ho an’ny Cisco Ambohidratrimo, Zap Ambohidratrimo, Talatamaty, Antehiroka, Anosiala, Ambohitrimanjaka, Ampanotokana ary Mahitsy. Ny Zap Ranovao ho an’ny Cisco Manjakandriana, ny Cisco Toamasina I iray manontolo. Ny Zay Toamasina Ambanivohitra ho an’ny Cisco Toamasina II. Ny Zap Fenoarivo Atsinanana ho an’ny Cisco Fenoarivo Atsinanana ary ny Cisco Mahajanga I manontolo. Ny Cisco sy Zap tsy tafiditra ao anatin’ireo lisitra ireo, mianatra avokoa.

    Tsy misy fiantraikany amin’ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2017-2018 ny fiatoana roa herinandro satria efa nampitomboana ho 39 herinandro ny fotoam-pianarana. Tsy hanova ny datin’ny fanadinam-panjakana rehetra ihany koa”, hoy ny fanamarihan’ity tomponandraikitra ity.

     

    Tokony hanaraka ny toromarika ny sekoly tsy miankina rehetra

    Ho an’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana tsy manaraka ny toromarika avy amin’ny minisitera, tompon’antoka amin’ny zava-miseho rehetra any an-dakilasy ny mpampianatra sy ny talen-tsekoly. Tsapa fa mbola betsaka ny sekoly tsy miankina nanohy fampianarana tamin’ity herinandro ity na teo aza ny filazana fampitsaharana avy amin’ny minisitera.

    Ankoatra izay, nametraka “cellule” eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazana hahafahana mahazo ara-potoana ny vaovao ilaina handraisana ny fanapahan-kevitra haingana. Nomena ny toromarika raha misy tranga mampiahiahy ny sekoly rehetra. Afaka manaraka ny fivoaran’ny vaovao ao amin’ny pejy facebook-n’ny minisitera ny rehetra.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.