Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby à 7 – “Can 2017” : tafita amin’ny ampahefa-dalana ny Makis

    Hiatrika ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2017), taranja rugby à 7, ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy. Fihaonana, tanterahina any Ogandà. Nahazo fandresena efatra, tamin’ny lalao efatra nataony, tao amin’ny sokajy “B”, ny Makis de Madagascar, nandritra ny andro voalohany, notanterahina, omaly zoma. Azo lazaina fa tena nampitolagaga ny maro ny zava-bitan’ny Makis, tamin’ity. Anisan’izany ny nandavoany ny Zimbaboeanina, tamin’ny isa 19 no ho 12. Nomontsanin-dry zalahy, tamin’ny isa mavesatra daholo kosa i Maorisy sy i Sénégal. Tamin’ny isa 40 no ho 10 ny nandavoan’ny Malagasy ny Maorisianina, ary 26 no ho 0 ny nanilihan’ny Makis an-dry zareo Senegaly. Tamin’ny isa, 24 no ho 5, indray ny nandreseny an’i Botsoanà.

    Rehefa natambatra ny isa, laharana faharoa ny Makis, aorian’i Ogandà, izay nahazo fandresena efatra ihany koa, saingy nanantombo  teo amin’ny “goal average”. Hifandona amin’i Maraoka, laharana fahafito, ny Makis, anio eo amin’ny ampahefa-dalana.

     Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.