Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Misy mandositra ireo marary : 42 ny matin’ny pesta manerana ny Nosy

    Hatramin’ny omaly, 42 ny isan’ny olona matin’ny pesta manerana ny Nosy raha mbola 36 ny isa ny zoma lasa teo. Ny asabotsy vao tonga avokoa ny antontanisa avy any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy, izay nahitana maty enina nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma lasa teo. “Tara ny fahatongavan’ny “fiche de notification” avy amin’ny distrika manamarina fa matin’ny pesta tokoa ilay marary ka ny asabotsy vao feno ny vaovao”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, ny dokotera Rakotoarivony Manitra, omaly, tao amin’ny radiom-pirenena. Nahatratra 85 ny olona nahita na voan’ny pesta tany Toamasina. Ho an’Antananarivo, 142 ny olona nahina fa nisehon’ny tranga pesta ka 16 ny maty. Nanomboka ny asabotsy ka hatramin’ny omaly, telo ireo maty raha 14 ny marary tonga.

    Betsaka ny olona tonga manatona ny tobim-pahasalamana mitily ny fahasalamany rehefa misy tranga mampanahy azy. Eo kosa anefa ireo marary efa voatily fa voan’ny pesta mandositra, hoy ny dokotera. Tsy tokony hatahotra ny fitsaboana ny marary mba tsy hampirongatra ny valanaretina amin’ny olon-kafa.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.