Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohijatovo : inefatra nesorina ireo 4’mi

    Niverina indray ireo olona tsy manan-kialofana mitoetra etsy ambanin’ny Jirama Ambohijatovo. Voatery noravain’ny sampan-draharahan’ny sosialy  sy ny polisy monisipaly  ireo trano baoritra valo sy trano fanitso iray.

    Nanaiky niala avokoa izy ireo saingy nilaza fa hiverina raha vao lasa ny mpiasan’ny kaominina. Faninefatra raha kely indrindra ny nandravana ireo trano tsy ara-dalàna ireo  ka voatery nandray fepetra ny tompon’andraikitra.

    Hisy ny fanaraha-maso aorian’izao hetsika izao hisorohana ny mety hiverenan’ny hafa. Efa misy rahateo moa ny toerana voatokana ho azy ireny eny Isotry saingy miverina eo hatrany ireo tsy manan-kialofana ireo izay sady manao asa ratsy toy ny fanendahana ny mpandeha sy ny fampiantranoana ireo mpivarotena.

    Misy mampanofa trano baoritra ireo mpivarotena mihitsy ny sasany, ka lasa fitadiavam-bola ny fipetrahana eo amin’iny faritry ny Jirama iny.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.