Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Doro tanety : may ny alan’Ankarafantsika

    Mirehitra nanomboka ny asabotsy 8 oktobra teo, ny ala arovana any Ankarafantsika, Mahajanga, faritra Boeny. Anjatony hekitara ny ala may, manomboka eo Antsirin’Ala hatrany amin’ny reniranon’i Ravelobe. Tsy voafehy ny afo ary mbola miitatra. Vao herinandro vitsy lasa izay, may koa ny valanjavaboaharin’Isalo any Ihorombe.

    Toy ny isan-taona, mirongatra ny doro tanety sy ny doro ala mandritra ny main-tany toy izao. Midika ireo fa tsy manana vahaolana mahomby mihitsy ny fitondrana iadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala ary ny tena hiarovana ny harena voajanahary eto amintsika, na mikirakira volabe aza ny rafi-panjakana mitantana azy ireny.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.