Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohimanambola : lasa ny entana sarobidy, raim-pianakaviana voadaroky ny jiolahy

    Ambohimanambola : lasa ny entana sarobidy, raim-pianakaviana voadaroky ny jiolahy

    Naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy ny raim-pianakaviana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy teny Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fanazavan’ireo niharam-boina, jiolahy maromaro nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no niditra an-keriny tao an-tokantranon’izy ireo, tamin’io fotoana io. Ny sasany, niditra tao an-trano raha niandry teny ivelany kosa ny hafa. Nandrahona avy hatrany ireo olon-dratsy raha vantany vao tafiditra tao an-trano ka nitaky vola tamin’ny tompon-trano. Tsy nanaiky lembenana anefa ilay raim-pianakaviana ka nodarohan-dry zalahy ary naratra mafy. Tsy vitan’izay fa mbola nofatoran’izy ireo koa. Tsy afa-nanoatra ny vadin’ilay raim-pianakaviana manoloana ny ratra nahazo am-badiny ka nanome ny vola sy ny entana sarobidy rehetra tao an-trano, toy ny solosaina sy firavaka sarobidy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny entana sarobidy rehetra tao an-trano niampy vola antapitrisany. Nitsoaka avy hatrany ry zalahy rehefa nahazo izay notadiaviny. Tonga teny an-toerana ny zandary, fotoana fohy taorian’ny fanafihan’ireo jiolahy. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity. Mitairana ny mponina eny Ambohimanambola sy ny manodidina fa miverina indray ny tsy fandriampahalemana tato ho ato amin’iny faritra iny.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.