Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanamafisana ny fitsaboana ny pesta : nanome fitaovana, fanafody, fiarovana ny OMS-Unicef

    Fanamafisana ny fitsaboana ny pesta  : nanome fitaovana, fanafody, fiarovana ny OMS-Unicef

    Manampy antsika amin’ny fitaovana sy ny fanafody ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) iadiana amin’ny valanaretina pesta. « Mitentina 1,5 tapitrisa dolara ny sorabola natokana amin’ny hamehana tahaka izao efa nomeny ho fanampiana amin’ny asa maika », hoy ny solontenan’ny OMS, Charlotte Ndiaye. Omaly, nanome fitaovam-piarovana toy  ny aro-tanana, solomaso, akanjo manokana, fitaovana fandrarahana fanafody sy famandrihana voalavo ary tablette ahafahana manara-maso ny fivoaran’ny valanaretina manerana ny Nosy. Nanolotra fanafody ho an’ny marary 7 000 sy olona mety ho nifampikasoka tamin’ny olona ahina 30 000 izy ireo omaly, teny amin’ny DHL Ankorondrano.

    Ny Unicef kosa nanampy amin’ny fiarovana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana 27 000, fono tanana 10 000 ary famonosana manokana  200 ireo matin’ny pesta. 15 ny tranolay hapetraka amin’ny hopitaly handraisana ny marary satria tsy maharaka ny fandriana. Nanatrika ny fanolorana ny filoha izay nanamafy fa tsy tokony hampidirina resaka politika ny ady amin’ny pesta satria misy ny milaza fa tsy mandray andraikitra ny fanjakana. Ampy ny fitaovana sy ny fanafody indrindra fa manampy ny mpiray ombon’antoka. Teny an-toerana koa ny masoivoho amerikanina miasa eto amintsika, Robert Yamate.

    Vonjy A.  

    Les commentaires sont fermées.