Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohijanaka : tratra ireo jiolahy naka an-keriny mpandraharaha

     Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny kaompania Imerina Central teny Ambohijanaka Ambohitrimanjaka, ny faran’ny herinandro teo ireo jiolahy efatra nirongo basy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny mpandraharaha iray teny Anjomakely. Araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny kaompania Imerina Central, Chef d’escadron Randriantsarafara Andry Sedera, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisian’ireo jiolahy efatra mitondra basy eny Ampahibe Ambohidratrimo, ny alahady teo. Taorian’izay anefa nisy loharanom-baovao hafa indray fa misy jiolahy efatra miaraka amin’ny basy misy mahatsikaritra eny Ambohijanaka. Hita tao anaty ala taretra tokoa ry zalahy ireo. Olona iray namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy ireo. Tonga teny an-toerana ny zandary ka tratra ny roa tamin’ireo olon-dratsy raha ny alatsinainy teo kosa no tratra ny namany roa lahy hafa. Fantatra nandritra ny famotorana ireo olon-dratsy ireo fa naka an-keriny mpandraharaha ry zalahy. Navotsotr’ireo olon-dratsy nandritra ny fifanenjehana teo amin’izy ireo sy ny fokonolona ilay mpandraharaha. Mitohy ny fanadihadian’ny zandary momba ity raharaha ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.