Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanamarihana

    « Tsy maty akory fa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitalin’Ambohimiandra hatramin’izao ilay vehivavy, voatily fa mararin’ny pesta tety aminay, ety Fenoarivo ». Izany no fanamarihana nataon’ny filohan’ny fokontany, tamin’ny gazety, omaly. Nohamafisiny kosa ny fisian’ireo fiangonana roa voatery nakatona, dia ny fiangonana FJKM sy ny EKAR eny an-toerana.  Efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny fokontany sy ireo manampahefana tamin’ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fitandroana ny fahadiovana. « Efa norarahana fanafody ny fiangonana. Notiliana sy nomem-panafody ihany koa ireo olona rehetra nifanerasera tamin’ny marary. Tsy misy ahiana intsony na ny fahasalamany na ny an’izay nifanerasera taminy”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviany, izay nifandray akaiky tamin’ny mpitsabo. Nisy koa ny fandrarahana fanafody tamin’ireo faritra maromaro teny amin’ny fokontany.

    Les commentaires sont fermées.