Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    AAA Tiko : nirefodrefotra ny lakrimozenina

    AAA Tiko  : nirefodrefotra ny lakrimozenina

     Nifanjevo tanteraka, tao Andranomanelatra. Tafiditra tao amin’ny orinasa AAA Tiko ihany, omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, ny avy amin’ny Emmo/Reg sy ny lehiben’ny faritra sy ny distrika ary ny prefet any Antsirabe. Hanatanteraka amboletra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana ny hanakatonana ity orinasan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana ity izy ireo. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso nahafahan’izy ireo niditra ny orinasa. Resy tosika ihany ny andrimasom-pokonolona sy ireo mpiasa niezaka niaro ny tsy haha tafiditra ny mpitandro filaminana. Notapahin’ny Emmo/Reg ny herinaratra avy eo. Anisan’ny anton’izao fanakatonana izao ny voalaza fa tsy nandoavan’ity orinasa ity ny  volan’ny Jirama. Tsy fantatra anefa na nogejaina ny orinasa na ny jiro sy ny rano ihany. Niainga amin’ny didim-panjakana noraisina ny herinandro teo izany fa tsy tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana.

    Tsiahivina fa anisan’ny mamatsy vokatra voahodina amin’ireo tsenan’ny Magro, toy ny etsy  Behoririka sy Tanjombato ary ny any Mahajanga sy ny hafa efa misokatra ny Tiko ao Andranomanelatra Antsirabe. Andrasana ny tohiny…

    Randria

     

    Les commentaires sont fermées.