Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Maevatanàna : zandary iray matin’ny dahalo

    Zandary GP1C iray maty voatifitry ny dahalo tao amin’ny kaominina 5/5 Maevatanàna, afakomaly hariva nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo. Voalazan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’io kaominina io ka niantsoana fanohanana amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Maevatanana. Tonga teny an-toerana, ny zandary ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, lavo ny zandary manamboninahitra lefitra iray. Henjana ny fifandonana tamin’ireo dahalo, saingy tafaporitsaka ihany ry zalahy.  Fantatra fa vao iray volana lasa izay no notafihin’ny dahalo ny mpandraharaha mpanangom-bokatra tao amin’ity toerana ity. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny vola 60 tapitrisa Ar. Mitaintaina hatrany ny mponina any an-toerana manoloana ny firongatry ny asan-dahalo. Ny zandary manao sorona hatrany ny ainy amin’ny fifandonana amin’ireo dahalo. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.