Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tontolon’ny hira : hiverina i Nono Mananjara

    Tontolon’ny hira  : hiverina i Nono Mananjara

    « Voafitaka », hira anisan’ny nahafantarana an’i Nono Mananjara… Ankehitriny, « ireo hira vaovao no hoentiko hamerenana ny lazako »,  hoy ity mpanakanto ity. Fantatra tamin’ny tafa nifanaovana taminy fa hiverina tanteraka eo amin’ny sehatry ny hira izy. Eo am-panomanana ny laharana fahefatra amin’ny kapila mangirana mirakitra ny rakitsariny i Nono Mananjara sy ny ekipany. Anisan’ireo hira vaovao hivoaka ao anatin’izany rakitsary izany ny « Fisarahana tsy fidiny », « Fitia tsy voarara », « Adrisa vao hifandao », « Sidina angidina », sns. « Efa misy amin’izy ireo ny mandeha any amin’ny radio », hoy i Nono Mananjara.

    Amin’izao fiverenany izao indray, « vonona ny hanatsara ny zava-bita teo aloha aho », hoy i Mananjara Jean Bruno. Nomarihiny fa ny faran’ny volana novambra no ho vita io rakitsary fahefatra io raha alohan’ny volana marsa 2018 kosa ny rakitsary fahadimy.

    Ankoatra ny maha mpanakanto azy, nambarany fa mpampianatra infôrmatika any amina oniversite tsy miankina i Nono Mananjara.

    Nanangona : HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.