Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Raikitra ny barazy, nipoaka ny lakrimozena

    Tsy mbola nifarana eo. Tezitra ny vahoaka ao Andranomanelatra Antsirabe sy ny mpiasan’ny orinasa AAA Tiko taorian’ny fanakatonan’ny fanjakana ity orinasa ity afak’omaly. Nametraka barazy teo amin’nyRN7 izy ireo ary tapaka tsy afa-nandeha avokoa ireo fiara, nandritra ny ora roa. Naparitak’izy ireo eran’ny lalana ny ronono. Noravan’ny Emmo/Reg amin’ny baomba mandatsa-dranomaso anefa izany. Antsoantson’ireo vahoaka ny tsy fanekena ny didy navoakan’ny fanjakana. « Efa valo taona izahay tsy anasa ary vao manomboka miarin-doha indray  izao ny orinasa nefa anaovana antsojay », hoy izy ireo. Nambaran’ny mpitantana ny orinasa AAA Tiko,  Rabenantoandro Lanto, fa hisy hetsika hatao ho fanoherana ny fanjakana. « Eo amin’ny lafiny lalàna, satria tsy ara-dalàna izao. Eo koa ny lafiny teknika. Tokony halefa tsikelikely ny fanarahana ny fepetra momba ny fiantraikany eo amin’ny tontolo iainana. Ny 60% ny orinasa eto amintsika, tsy manaraka ny fepetra momba ny tontolo iainana ka tokony hisy ny fifampidinihina», hoy izy.

    Eo amin’ny lafiny sosialy indray, nanteriny fa fampandrosoana ny firenena no resahana ka tsy tokony hakatonana ny orinasa mihodina. « Hitombo indray ny tsy an’asa », hoy ihany izy.  Na izany aza, hihamafy ny hetsiky ny vahoaka sy mpiasan’ny orinasa AAA any Andranomanelatra sy Antsirabe. Tsiahivina fa efa nikatona noho ny krizy 2009 ity orinasa ity. Nomena alalana hisokatra tamin’ny roa taona lasa. Nakaton’ny fanjakana indray izany izao.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.